<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>C.E.F. Weyese</author>
<title>Ny andron'ny fahasoavana FFPM55</title>
<lyrics>[V1]
 Ny andron'ny fahasoavana
 Miposaka ho antsika
 Manerana izao tontolo izao,
 Ny tarany efa hita,
 Ka ravo ny olombelona,
 Fa lasa ny alintsika.

[V2]
 Niova terý ny alina,
 Fa teraka ny Mpamonjy,
 Mamiratra re ny lanitra,
 Miseho izao ny vonjy,
 Ka lasa tokoa ny aizina,
 Mihoby ny voavonjy.

[V3]
 Na dia ho nahay nihira re
 Ny hazo an-ala rehetra,
 Ka afa-mikalo ny ravina
 Hidera ny Avo indrindra,
 Tsy ampy ho fanandratana
 Ny Tompon'ny ain-drehetra.

[V4]
 Ny feon'ny olonao izao
 Misandratra, ry Jehovah,
 Hidera ny fitiavanao
 Sy ny indrafonao soa
 Niaro ny fiangonanao
 Hatramin'ny fahagola.

[V5]
 Ho an'ny tanindrazanay
 Izahay re, ry Ray Tsitoha,
 Ka hiditra ao an-tranon-dRay
 Nomanin'Ilay Mpialoha ;
 Ny olonao dia ho tafaray
 Hidera Anao tokoa !</lyrics>
<hymn_number>55</hymn_number>
</song>